NAHOANA AHO NO NISAFIDY NY ESPERANTO ?
LYDIA
HANTARIMANANA Lydia no anarako, efa volana maromaro izay no nianarako Esperanto.
Nisafidy ny hianatra Esperanto aho noho ireto antony vitsivitsy manaraka ireto:
Vao naheno olona namaky teny Esperanto aho tamin’ny voalohany dia tena tsy vahiny ny sofiko, nisy voambolana haiko avy hatrany fa ny fanoratana fotsiny no miova kely. Mora azo ny heviny ary tsy manahirana loatra ny mianatra azy.
Taorian’ny nahafantarako ny mahakasika io teny io dia tapaka ny hevitro fa hianatra ny teny Esperanto aho hahafantarako bebe kokoa ny mahakasika azy.
Isan’ny teny iray miavaka ny Esperanto satria: mampifandray sy mampifankahazo avy hatrany ny olona samy hafa fiteny, ary ahafahana mahafantatra ny kolotsain’ireo samy hafa firenena amin’ny alalan’ny fifampiresahana amin’ny teny Esperanto.
Lasa manana namana mampiasa teny Esperanto avy amin’ny firenena samy hafa aho, afaka manontany ny zava-misy any nohon’ny fampiasana azy.
Tiako ny teny Esperanto, izay no hiezahako hianatra azy. Isaorako manokana ireo mpampianatra sy namana hafa nanampy ahy hatramin’izao.
NAJAINA ERICA
Maromaro ireo antony nianarako ny teny Esperanto. Voalohany aloha, mahaliana ahy ny resaka teny sy fifangaroan’ny kolotsaina, ho ahy ny Esperanto dia mariky ny serasera sy fifankazahoana eo amin’ny lafiny iraisam-pirenena.
Faharoan’izany, tena tsapako fa lojika sy mora ianarana ny fitsipi-pitenenana Esperanto ary ilay teny mihintsy aza no tena tsotra sy afaka folapolahina.
Arak’izany, tsy hoe nanintona ahy fotsiny ny fianarana Esperanto fa nilaiko ihany koa ary fomba mailaka iray hanatsarako ny fifehezana ireo tenim-pirenena isan-karazany.
Ankafiziko ilay traikefa mianatra teny vaovao no sady teny iraisam-pirenena koa ary ny Esperanto dia tena nanatsara tokoa ny fahaizako mitakatra sy manaja ireo kolotsaina samy hafa isan-karazany.
NAVALONA
Navalona no anarako, 20 taona aho ary avy aty Madagasikara.
Tany am-pianarana no nahafantarako voalohany ny teny Esperanto tamin’ny alalan-dRamatoa Talen-tsekolinay. Izy no nampiditra ity teny ity tao ary nampianatra anay efa ho telo taona izao.
Hatrany am-boalohany dia efa latsa-pitiavana tamin’ny Esperanto aho. Mazava tsara izy ity, lôjika ary teny mora ianarana nefa tena manan-danja be tokoa. Nanapa-kevitra aho fa tena hianatra azy satria hitako fa varavarana misokatra ho amin’izao tontolo izao ny Esperanto.
Mamela ahy hiserasera amin’olona avy amin’ny kolotsaina isank-karazany sy ny fihaviana samy hafa, tena mifanaraka amin’ny nofinofy keliko izany : hahafantatra izao tontolo izao ary hampisy fifandraisana eo amin’ny samy olombelona hatrany dilambato rehetra any.
Vokatry ny Esperanto dia nanjary nahazo namana marobe avy any amin’ny kontinanta samihafa aho, toy ny aty Afrika, Eoropa ary koa Azia.
Mahatalanjona tokoa no mahita hoe ny teny iray dia afaka mampifanakaiky olona izay tena samy hafa firenena no koa tsy mitovy kolotsaina.
Ankoatr’izay, nanome ahy herijika hifandray amin’olona tsara fanahy sy tia manampy namana ny Esperanto, olona izay tena manohana ahy ara-môraly, mandrisika sy manosika ahy handroso hatrany mba tsy handaozako ny nofinofiko ary mba hikirizako amin’ny tanjona tiako hotratrarina.
Raha amiko manokana, tsy teny fotsiny ny Esperanto fa tena tetezana velona mampifandray ny samy olombelona, fitaovana matanjaka iray mba hananganana hoavy mampiray hina kokoa, mijery ny maha-olona kokoa ary ara-drariny kokoa.
FABRICE
Miary Fabrice no anarako ary mpitarika ny kilioba EKT (Esperanto-Klubo de Toamasina) aho. Iray amin’ireo mpampianatra Esperanto avy aty atsinanan’ny Madagasikara aho. Avy any Ambatondrazaka koa izay toerana nahaterahako. Tena ankafiziko tokoa ny Esperanto. Fa inona tokoa no antony nisafidianako azy ?
Tanatin’ny folo taona teo dia nianatra teny maromaro aho toy ny anglisy, frantsay, mandarin, japôney ary koa alemana tany amin’ny lisea, nirotsaka an-tsitrapo tamin’ny JICA (Kosuke Uzawa) sy niara-niasa tamin’ny Peace Corps (Will Dana, Jane sy Steeve) sns. Sahirana foana aho anefa indrindra rehefa nianatra ny teny alemana sy mandarin. Tiako be daholo ireo teny ireo saingy ny ankamaroany dia sarotra ianarana.
Na izany aza, efa henoko ihany ny mikasika ity teny iraisam-pirenena ity fony izaho nianatra tany amin’ny ambaratonga faharoa. Ary ny fitantaran’ny raibeko sy renibeko momba ny Esperanto dia hoe « io no teny mora indrindra ary ampiasaina eran’izao tontolo izao ». Naniry fatratra hianatra izany teny izany aho nefa tsy nahita olona hampianatra.
Noho izany, nikarokaroka tanaty Aterineto tao aho, nijery ny fitsipi-pitenenana, ny voambolana sns. Hitako ihany anefa ny lala-mahitsy momba ilay teny dia ramose Henriel Fidilalao izany.
Nianatra tamin’ny alalan’ny fandefasana lesona amin’ny mailaka izany izahay. Ankehitriny — nohon’ny Esperanto — dia manana namana marobe eran’izao tontolo izao aho, namana samy hafa firenena, samy hafa kolontsaina ary samy hafa ny (fi)teniny. Fa maninona aho no nisafidy ity teny iraisam-pirenena ity ? Ireto ny antony : Ny Esperanto dia + teny mahaliana be + teny tena mora ianarana + tena teny iraisan’ny firenena rehetra + teny mampiray kolontsaina + tenin’ny Fandriampahalemana sy ny finamàna + teny tsy mba miandany sns.
