VAOVAO
Miandry vaovao avy aminareo !
VAOVAO ERAN-TANY
Fifaliana sy voninahitra lehibe ho an’ny esperantista rehetra eto Madagasikara ny nandrenesana tamin’ny 14 desambra 2025 teo fa voafidy ho isan’ireo anaty lisitry ny PANTEONO 2025 ny namantsika RANJA LYDIE, izay mpampianatra Esperanto efa fantatry ny maro ankoatra ny maha-mpanoratra azy amin’ity teny iraisam-pirenena ity. Miarahaba azy amin’ny anaran’ny malagasa samideanaro isika ary mirary azy mba hahomby hatrany amin’ny fitondrana avo ny sainan’ny Esperanto. I RANJA izany no Malagasy voalohany tafiditra amin’ity toeram-boninahitra PANTEONO ity ary isan’ireo Afrikana vitsivitsy ao ihany koa.
Ny PANTEONO ao amin’ny pejin’ny Edukado.net dia ny lisitr’ireo mpampianatra mendrika ary koa mpisehatra amin’ny hetsika momba ny Esperanto. Aseho eo amin’ny PANTEONO izy ireo mba hanomezam-boninahitra ny asa vitany mikasika ny fampianarana Esperanto.
Isan-taona dia misy esperantista vitsivitsy aseho ao, mpampianatra mbola velona na koa efa nodimandry ka hita amin’izany ny anarany, ny firenena niaviany, ny tantaram-piainany ary fintina momba ny asa vitany teo amin’ny sehatry ny Esperanto. Ireo ekipa mpiandraikitra ny Edukado.net moa no misafidy ireo mendrika ny hampidirina ao amin’ny PANTEONO rehefa avy nihaino ny fanolorana nataon’ireo mpandray anjara tamin’ny resadresaka sy adi-hevitra ao amin’io pejy io, ankoatra ireo tolo-kevitra avy any amin’ireo mpampianatra sy mpanabe hafa.
Hatramin’izao dia misy anaran’olona anjatony avy amin’ny firenena samihafa eran’izao tontolo izao ao amin’ny PANTEONO.
Afaka zahanao ao amin’ny pejy EDUKADO.NET
Isan-taona ny gazety boky malaza La Ondo de Esperanto avy any Rosia dia mikarakara fakan-kevitra momba ny Esperantista malaza ka ho an’ny taona 2025 dia voafidy ho isan’izany ny namantsika Ranja Zafinifotsy. Nisy esperantista kalaza 12 isa no nasaina nisafidianan’ny esperantista erantany tamin’ny alalan’ny aterineto ka ny faran’ny volana janoary teo dia nahatratra 400 ny isan’ny mpifidy. Nahazo vato 114 isa Ranja ary nahazoany ny laharana voalohany tamin’izany. Efa tsy zoviana amin’ny tontolon’ny Esperanto intsony moa Ranja noho ny fahavitrihany eo amin’ny fampianarana ity teny ity, ny fampiasany izany eo amin’ny asa fanoratana boky ary indrindra eo amin’ny fandraisany anjara amin’ireo hetsika marobe eto Madagasikara, atsy Afrika ary hatrany Eorôpa aza. Andraikitra maro no tanany amin’izany ankoatra ny maha-Talen’ny sekoly azy ary amin’ny maha-renim-pianakaviana azy ihany koa.
Miarahaba an-dRanja ary isika esperantista namany noho izao laharam-boninahitra azony izao ary mirary azy mba hitondra avo hatrany ny lazan’ny teny Esperanto eran’izao tontolo izao.
Afaka arahinao be be kokoa ao amin’ny https://sezonoj.ru/2026/02/jaro-11/#more-28964
NY ATAO HOE TENY ESPERANTO (tohiny)
Izany no mahatonga azy ho mora ianarana sy ifampiresahana tsy amin-tahotra sy tsy amim-pisalasalana.
Inona no sakana amin’ny fielezan’ny Esperanto ?
Na dia manana tombony aza ny Esperanto dia mbola maro ny sakana tsy ahafahany mivelatra bebe kokoa:
- Teny matanjaka (toy ny teny anglisy) no manjaka amin’ny sehatra ara-toekarena sy siantifika.
- Tsy tohanan’ny Fanjakana amin’ny fomba ofisialy izy.
- Fahavitsian’ny loharano sy fitaovana amin’ny fianarana sy fampiharana azy any amin’ny toerana maro.
Na izany aza, ny teknolojia sy ny firoboroboan’ny aterineto dia hita fa manampy amin’ny fiparitahan’ny teny Esperanto.
Inona avy ireo tombony ananan’ny Esperanto ?
Mora ianarana izy
Raha oharina amin’ny teny hafa, dia haingana kokoa ny fianarana ny Esperanto satria:
- Mora hita ny fahadisoana amin’ny fitsipi-pitenana ka mora ahitsy avy hatrany.
- Mivantana sy manaraka lôjika ny famoronana teny.
- Tsy mba miovaova ny fomba fanononana sy ny tsindrim-peo.
Mampitovy zo ny olona izay mampiasa azy satria samy tompon’ny Esperanto izy ireo
Ny Esperanto dia teny tsy anjakan’ny firenena tokana, koa dia mitovy zo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena ny rehetra. Tsy mitondra tombony manokana ho an’ny tompon-teny (natifs) manoloana ny olona hafa mampiasa ilay teny ny Esperanto, mitovy zo ny samy mpampiasa Esperanto fa ny fahaiza-mifehy azy sisa no anavahana azy.
Manamora ny fifandraisana maneran-tany
Ny olon’ny firenena samihafa/samy hafa dia afaka mifanakalo hevitra amin’ny fomba mahomby amin’ny teny Esperanto. Miteraka fifankahalalana bebe kokoa, fifankahazoana ary fifankatiavana izany.
Fitaovana fanaingana kolontsaina
Misy hira, tononkalo, tantara, seho an-tsehatra, boky aman-gazety, sarimihetsika, video sy hetsika marobe amin’ny teny Esperanto. Tsy teny fotsiny izy fa kolontsaina manokana iarahan’ny esperantista rehetra manangana.
Aiza isika no hianatra Esperanto ?
Amin’ny aterineto
- Lernu.net – Sehatra fanombohana sy famakafakana mampiasa teny maromaro.
- Duolingo – Application malaza amin’ny finday sy solosaina.
- Vondron-tserasera ao amin’ny Facebook, Telegram, Reddit…
Any amin’ireo fikambanana eto an-toerana
Any amin’ny tanàn-dehibe toa an’Antananarivo sy Moramanga dia efa misy klioba sy vondrona fianarana ary mpikarakara hetsika amin’ny Esperanto. Misy koa ireo manome fampianarana amin’ny alalan’ny WhatsApp na e-mail.
Misy olona miteny Esperanto ve eto Madagasikara ?
Eny Tompoko, misy dia misy tokoa! Misy Malagasy maro efa mianatra, mahafehy ary mampiasa Esperanto amin’ny resaka, tafatafa, taratasy, na koa fifanakalozana amin’ny any ivelany. Ao amin’ny Facebook dia misy vondrona « Esperantista malagasy » izay afaka anatevenana fahalalana.
Efa maro ireo Malagasy nandray anjara tamin’ny fivoriana maneran-tany momba ny teny Esperanto ary mampifandray antsika amin’ny namana hafa amin’ny alalan’ity teny tsotra sy mandala fifankahazoana ity.
Manana kolontsaina ve ny Esperanto ?
Eny Tompoko! Efa misy:
- Hira sy tononkalo amin’ny teny Esperanto.
- Gazety, boky sy tantara nosoratana amin’ity teny ity (ary raha isaina ohatra ireo boky voasoratra amin’ny Esperanto dia mihoatra lavitra noho ireo vita tamin’ny teny malagasy).
- Teatra, sarimihetsika, tononkalo, hainteny, tantara voadika na nadika amin’ny teny isan-karazany eto ambonin’ny Tany.
Ny mpampiasa Esperanto dia miezaka mampita sy mamorona kolontsaina iombonan’izao tontolo izao ary isan’izany isika Malagasy.
Nahoana no tokony hianatra Esperanto isika ?
Ny Esperanto dia:
- Mora ianarana, na ho an’ny ankizy na ho an’ny olon-dehibe.
- Mampitovy zo eo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena.
- Mampita kolontsaina mitambatra sy fanajana ny kolontsain’ny hafa.
- Afaka mampifandray antsika Malagasy mora foana sady haingana amin’ny olona maneran-tany.
Raha mitady teny vaovao mora ianarana nefa tena mahasoa, dia azo atao tsara ny manomboka amin’ny Esperanto!
Loharano sy rohy mety ilainao
- https://lernu.net – Fianarana maimaim-poana amin’ny fiteny maro
- https://duolingo.com – Fampiharana fanta-daza amin’ny finday sy solosaina
- https://uea.org – Fikambanana maneran-tany ho an’ny mpiteny Esperanto
- Tsidiho ny vondrona Facebook: “Esperantista malagasy”
