OMEO LANJA NY TENY MALAGASY

Ny teny malagasy dia lova ara-kolontsaina lehibe. Ity lahatsoratra ity dia maneho ny maha-zava-dehibe ny fanomezan-danja ny teny malagasy amin’ny fiainam-pirenena sy ny fampiroboroboana azy indrindra eo amin’ny lafiny fampianarana.

 

Nahafinaritra ahy ny tenin’ny Kolonely Filohan’ny Fanorenana mpitarika antsika amin’izao fotoana izao mikasika ny tokony hanomezan-danja indray ny teny malagasy. Fotoanan’ny fanovana sy fanavaozana ary fiavaozana tokoa izao. Indrisy anefa fa fanomezan-tsiny sy fandavana be fahatany no setrin’ilay teniny raha arahina ny hevitr’ireo olona tao amin’ny facebook. Tsy ilaina intsony hono ny fanagasiana fa namotika ny firenena. Tokony hatao amin’ny teny anglisy daholo hoy ny sasany ny fampianarana fa ny teny anglisy hono no fampiasa eran’izao tontolo izao sns sns.

Mino aho fa tsy ny fanagasiana toy ilay nanaovana azy tamin’ny repoblika faharoa no tian’ny Filoha holazaina eto fa ny fanomezan-danja ny teny malagasy eo amin’ny fiainan’ny Malagasy an-davanandro mihintsy. Marobe ohatra ireo asam-panjakana izay mampiasa be loatra (na koa be fahatany) ny teny frantsay hany ka lasa anjorom-bala ny ankamaroan’ireo tsy nahita fianarana firy sy ireo tambanivohitra. Izany no isan’ny mampatahotra azy ireny hiditra biraom-panjakana ka manararaotra ny mpanera sy ny mpanao kolikoly.

TSY HOE RATSY ANGE ILAY FANAGASIANA E !

Novolavolaina tao anatin’ny fanagasiana ny tenanay hatrany amin’ny kilasy famaranana ny kolejy ary tany amin’ny lisea vao nianatra tamin’ny teny frantsay. Nianatra sy nofanina tamin’ny sekolim-panjakana ihany koa. Saingy tsy nanakana anay ho lasa mpampianatra teny vahiny izany no sady nahafehezanay tenim-pirenena hafa koa. Ekena fa nisy tsirambina tamin’ny fanatontosana ny fanagasiana ny teny enti-mampianatra nandritra ny repoblika faharoa, tsy ampy fandalinana loatra, tsy ampy fampiofanana no sady nahantra ara-pitaovana. Ny sakana goavana koa dia ny fandavan’ireo mpampianatra sasany tany amin’ny lisea sy teny amin’ny oniversite ny fanagasiana ny teny enti-mampianatra. Aminay dia tsy ampy fahasahiana sy fitiavan-Tanindrazana ny sasany tamin’ireo nametrahana ny andraikitra ka nanjary nandringa ny fanagasiana. Aza adino anefa fa marobe amin’ireo manam-pahaizana ankehitriny no novolavolaina tamin’ny teny malagasy. Midika izany fa tsy ratsy tanteraka akory ny fanagasiana ary azo hatsaraina ny fomba fanaovana azy.

FIFANDIRANA TSY MITONDRA MANKAIZA

Raha vao ampifandrafiana ny mpanaraka ny fanagasiana sy ny fanohizana ny tenim-bazaha (izay mivoatra any amin’ny tenin-tsinoa sy koreana koa aza) dia taraiky eto ny taranaka malagasy. Efa mihen-danja eran-tany ny fampiasana ny teny frantsay ary misy firenena afrikana efa nanova tanteraka ny teny enti-mampianatra ho teny anglisy. Mihevitra anefa izahay fa tsy voatery hahatsara antsika ny zavatra toy izany.

SOSO-KEVITRA TSY MITONGILANA

Mba ialana amin’ny adilahy mikasika ny fanagasiana na tsia ny teny enti-mampianatra dia ity ny soso-kevitra avy aminay. Aleo hasiana sekoly andrana vitsivitsy izay hampiasana ny teny malagasy (na ofisialy io na tenim-paritra) ho teny enti-mampianatra manomboka eny amin’ny ambaratonga fototra ka hatrany amin’ny oniversite. Hasiana fanamafisana manokana kosa anefa ny taranja fampianarana teny vahiny (teny frantsay, anglisy ary teny hafa) amin’ireo sekoly ireo. Afaka taona vitsivitsy dia samy horefesina ny haavon’ny lentan’ny mpianatra havoakan’ireny sekoly ireny. Iza no tokony hianatra amin’izany sekoly mampiasa teny malagasy izany ? Ny zanak’ireo ray aman-dreny izay manaiky ny fifanarahana manokana tamin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ary hatao maimaim-poana tanteraka ny fianarana, hiantohan’ny Fitondrana ny fitaovam-pianarana sy ny boky ilaina amin’izany.

HATSARAINA NY FAMPIANARANA TENY VAHINY

Aminay izany tsy ny fanagasiana ny teny enti-mampianatra no ratsy fa ny fomba nanatanterahana azy sy ny toe-tsaina nentina nanao azy (tsy nisy fitiavan-Tanindrazana). Na ny UNESCO aza dia manindrahindra fa ny tenin-dreny sy ny tenin-drazana no tokony ho teny enti-mampianatra mba hampivelatra be be kokoa ilay zaza. Ary ny firenena toa an’ny Sina, Indonezia, Vietnama, Soeda, Norvezy, Brezila sns dia ampiasaina ny teniny hany ka mahita fahombiazana sy fandrosoana tokoa izy ireny. Raha hamerina ny lanjan’ny teny malagasy isika dia aoka homena ny tena andraikitra tandrify azy ny Akademia Malagasy sy ireo mpahay teny eto amintsika. Andron’ny fanorenana fototra vaovao tokoa izao koa araka ny hevitray dia tokony hatsangana isaky ny faritra ny Akademian’ny teny vahiny (teny frantsay, anglisy, italiana, rosiana, espaniola, arabo, japoney, koreana, soahily, tiorka…) mba ahafahan’ny tanorantsika manovo fahaizana malaky no sady manatevina ny fifehezana teny vahiny amin’ny karazam-pianarana arahiny eny amin’ny oniversite. Tokony hatao mirary dia mirary ny fianarana amin’ireny Akademia ireny.

Fehiny : mety ho injenieran’ny fambolena ianao, nandranto fahaizana tamin’ny teny malagasy tanteraka nefa noho ireo Akademian’ny teny vahiny dia mahafehy tenim-pirenena maromaro ihany koa. Ankoatra izay, hiroborobo ny sehatr’asa momba ny fandikana teny satria marobe ireo tanora no horaisina handika teny eny amin’ny sampan’asa rehetra na amin’ny fanjakana izany na amin’ny tsy miankina. Hiroborobo ihany koa ny fifehezana ny teny malagasy sy ny fitenim-paritra. Tsy zava-baovao izany fa toy izany no zava-misy any amin’ireo firenena marobe any ivelany any. Mba kevoka ery isika amin’izay hoe manana ny teny malagasy mampiavaka antsika.

Ahoana ary no hevitrao ny amin’ny fampiasana ny teny malagasy ho teny enti-mampianatra ?

FIDILALAO Henriel

Mpampianatra teny frantsay

Mpanofana amin’ny teny Esperanto

 

FIDILALAO Henriel
Fandraisana
Aboni
Sciigo por
guest
0 Commentaires
La plej malnova
Le plus récent La plej populara
Ĉeestantaj komentoj
Afficher tous les commentaires
Retour en haut
0
Nous aimerions avoir votre avis, veuillez laisser un commentaire.x