VAOVAO
RESADRESAKA TAMIN’I MIHARY
Inona no tsapan-dry rehefa tonga tany Indonezia indry ary nandray anjara tamin’ny kongresy ?
Miarahaba antsika rehetra. Vao tonga tany aho aloha dia hitako fa samy hafa be amin’ny aty Madagasikara. Ny zavatra nahagaga ahy voalohany dia ny fitovian’endriky ny Indoneziana sy ny Malagasy.
Inona no tsapan-dry nandritra ity fivoahany voalohany tany ivelany ity, lavitra ny fianakaviana sy ny tany nihaviana ?
Nahafinaritra satria nahitana kolotsaina vaovao ary afaka nifandray tamin’olona marobe izay samy hafa kolotsaina. Tsy dia tsapa loatra ilay hoe lavitra fianakaviana satria fohy kely ilay fotoana. Nahafinaritra ireo toerana naleha hany ka tsy tsapa loatra ilay izy moa fantatra koa fa tsy miantsy hiverina aty. Tsy nisy tahotra izany satria efa niomana amin’ireo zavatra hatao any na dia fotoana fohy kely fotsiny aza.
Mba tantarao hoe ny ambiance tany amin’ilay kongresin’ny tanora.
Amin’ny hoe maha-tanora azy dia nahafinaritra ny ambiance. Samy manana ny toetrany sy ny fahazarany ny tsirairay avy. Maro isafidianana koa ny programa dia samy mandeha any amin’izay tiany. Miresaka tsara daholo koa ny ankizy. Noho izany tsy nisy olana mihintsy.
Mora tamin-dry ve ny nahazo namana tamin’ireo mpandray anjara avy tamin’ny firenena samihafa ?
Ie, tsy nisy olana indrindra ho an’ireo ankizy ivelan’ny stabo de TEJO (mpiambana ao amin’ny birao mpitantana). Ireto farany moa efa mpiara-miasa hatrizay. Te-hifandray daholo ny ankizy, be dia be ny mpandray anjara dia miova isan’andro ny olona ifampiresahana. Afaka nifanerasera tamin’ny ankabeazan’ny olona aho izany.
Inona no nanaitra andry indrindra : ny kolotsaina sa ny olona any Indonezia ?
Ilay olona angamba no tena nanaitra ahy indrindra. Ny tena nanaitra ahy indrindra raha tao ivelan’ilay kongresy ohatra dia ny fahitako hoe hay ve tsy zava-dehibe ny teny anglisy. Ry zareo dia mihazona ny teniny.
Inona avy ny traikefa vaovao azon-dry tamin’ny alalan’ireo programa tao amin’ny kongresy ?
Ny traikefa azo ohatra dia ny fahafahana mandeha amin’ny toerana iray amin’ny andro alina be, izay tsy toy izany ny aty Madagasikara, Tsy misy hoe tahotra momba ny fandriam-pahalemana. Eo koa ny fifampizarana amin’ireo ankizy izay efa nandeha voyages maromaro. Ny traikefa vaovao dia ny fahafantarana momba an’Indonezia tamin’ny alalan’ireo kilalao natao tany, Nahafahana namantatra ihany koa ny toetoetran’ireo olona araka ny firenena nihaviany. Nahita ny fomba fiasa tany koa aho ka nahatsapako hoe ohatra an’izao no hatao rehefa mandray kongresy any Madagasikara.
Ahoana no nahafahan-dry nampiasa ny teny Esperanto tamin’ny andavanandro nandritra ny kongresy sy nandritra ny voyage ?
Nandritra ny kongresy dia tsy nampiasa teny hafa ankoatra ny Esperanto izahay tany. Betsaka ny Indoneziana no tsy miteny anglisy koa dia miezaka mamantatra izay tiany holazaina amin’ny alalan’ny baiko moana na miteny anglisy kely ihany aho.
Inona no zavatra fantatr’indry momba andry tamin’ity traikefa voalohany sady iraisam-pirenena ity ?
Tsy araka izay noeritreretiko ilay izy satria mora kokoa noho ilay noeritreretina ilay izy : zavatra azo tanterahina fa tsy hoe zavatra sarotra akory.
Nampiova ny fomba fijerindry mikasika ny Esperanto sy mikasika izao tontolo izao ve ity voyage ity ? Amin’ny fomba ahoana ?
Ie, ohatran’ny hoe mampisy faharisihana kokoa ilay izy hanohizana sy handalinana kokoa ny Esperanto satria nahitana namana be dia be ny fahatongavana tany, samy nifampizara traikefa ary mahafinaritra koa ilay hoe mahazo namana vaovao.
Inona no zava-tsarotra indrindra tsy maintsy natrehan-dry mba hampahomby ity voyage ity ?
Ny zavatra sarotra angamba dia ilay hoe vao tonga any dia tsy mahafantatra na iza na iza fa tsy maintsy manontany olona. Ankoatra izay, tsy dia sarotra loatra ny fikarakarana taratasy raha ho any Indonezia manokana.
Inona no torohevitra atolotr’indry ho an’ireo tanora esperantista hafa izay matahotra mandray anjara amin’ny kongresy iraisam-pirenena ?
Tsy tokony hatahotra izany fa ilaina fotsiny ny hoe mahafehy tsara ilay teny, ny fahaizana miara-miaina amin’ny olona rehetra ary tsy mitsaratsara fahatany olona iray
Misaotra betsaka andry.
VAOVAO ERAN-TANY
Nampahafantarina nandritra ny lanonana famaranana ny Universala Kongreso de Esperanto faha-110 natao tany Brno (Repoblika Tseky) ny fizarana diplaoma enina isa momba ny Asa Miavaka ary koa diplaoma iray momba ny Asa Miavaka ara-Zavakanto nandritra ny taona 2025. Efa nanomboka tamin’ny taona 2007 no nanomezan’ny Biraon’ny UEA ireto karazana diplaoma ireto.
Diplaoma noho ny Asa Miavaka
Nisinaga Atusi « Acero » (Japana) noho ny asa miavaka nataony amin’ny maha-mpandrindra azy ny Komisionan’ny UEA momba ny hetsika any Azia sy Oseania (KAOEM), isan’izany ny tohana mahomby nataony tamin’ny fikarakarana ny Kongresy faha-10 Azia-Oseania (AOK), noho ny asa naharitra momba ny Esperanto any Japana, isan’izany ny fiandraiketany ny toeran’ny filoha-lefitry ny Japana Esperanto-Instituto.
Henriel Fidilalao (Madagasikara) noho ny asa vitany momba ny fanapariahana ny Esperanto any Madagasikara, isan’izany ny fandraisany an-tanana ny radio amin’ny aterineto Aminda Radio Esperanto, izay efa namokatra fandaharana 153 isa ary koa ny asa fanaovan-gazety isam-bolana Panoramo de la Granda Insulo.
John (Xiaolong) Huang (Kanada) noho ny asa miavaka vitany tanatin’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny varotra sy toekarena (IKEF) amin’ny maha-filoha mpitarika ny IKEF Amerika avaratra azy, amin’ny maha-tonian-dahatsoratry ny gazety La Merkato azy ary amin’ny maha-mpikarakara azy ny fihaonanana amin’ny aterineto isaky ny alahady. Ankoatr’izay izy dia mpaka sary ofisialy ho an’ny Universala Kongreso nanomboka tamin’ny 2022.
Françoise “Fransoazo” Noireau (Frantsa) noho ny asa miavaka vitany momba ny fampianarana Esperanto aty Afrika amin’ny alalan’ny aterineto (whatsap), ny asa fandrindrana ireo mpampianatra 16 izay Afrikana ny ankamaroany, izany dia ao anatin’ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny oniversite Espero any Barako, DR Kongo.
Libuše Dvořáková (Repoblika Tseky) noho ny fandraisany an-tanana efa an-tanonany maro ny Tranom-bakoka momba ny Esperanto eny Svitavy.
Věra Barandovská-Frank (Alemaina/Repoblika Tseky), tamin’ity taona ity izy dia Rektoran’ny Internacia Kongresa Universitato (IKU), noho ireo asa efa an-tanonany vitany mikasika ny haiteny, izay niarahany niasa tamin’ny vadiny Helmar Frank tao amin’ny Akademio Internacia de la Sciencoj (AIS), noho ireo fampianarana nandritra ny taona maro tao Poznano ary koa ny fanaovana asasoratra siantifika miisa 130.
Diplaoma momba ny Asa miavaka ara-Zavakanto
Bobelarto (Hongaria/Kanada) noho ny fandraisany anjara miavaka tamin’ny hetsika asasoratra amin’ny teny Esperanto, isan’ireny ny fikarakarana ny fifaninana Internacia Novel-Konkurso (INK), hazakazaka asasoratra, fotoana fianara-manoratra ary koa fiaraha-mamaky asasoratra.
Nalaina avy tamin’ny famoaham-baovaon’ny UEA, 2025, N°1246
NY ATAO HOE TENY ESPERANTO (tohiny)
Izany no mahatonga azy ho mora ianarana sy ifampiresahana tsy amin-tahotra sy tsy amim-pisalasalana.
Inona no sakana amin’ny fielezan’ny Esperanto ?
Na dia manana tombony aza ny Esperanto dia mbola maro ny sakana tsy ahafahany mivelatra bebe kokoa:
- Teny matanjaka (toy ny teny anglisy) no manjaka amin’ny sehatra ara-toekarena sy siantifika.
- Tsy tohanan’ny Fanjakana amin’ny fomba ofisialy izy.
- Fahavitsian’ny loharano sy fitaovana amin’ny fianarana sy fampiharana azy any amin’ny toerana maro.
Na izany aza, ny teknolojia sy ny firoboroboan’ny aterineto dia hita fa manampy amin’ny fiparitahan’ny teny Esperanto.
Inona avy ireo tombony ananan’ny Esperanto ?
Mora ianarana izy
Raha oharina amin’ny teny hafa, dia haingana kokoa ny fianarana ny Esperanto satria:
- Mora hita ny fahadisoana amin’ny fitsipi-pitenana ka mora ahitsy avy hatrany.
- Mivantana sy manaraka lôjika ny famoronana teny.
- Tsy mba miovaova ny fomba fanononana sy ny tsindrim-peo.
Mampitovy zo ny olona izay mampiasa azy satria samy tompon’ny Esperanto izy ireo
Ny Esperanto dia teny tsy anjakan’ny firenena tokana, koa dia mitovy zo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena ny rehetra. Tsy mitondra tombony manokana ho an’ny tompon-teny (natifs) manoloana ny olona hafa mampiasa ilay teny ny Esperanto, mitovy zo ny samy mpampiasa Esperanto fa ny fahaiza-mifehy azy sisa no anavahana azy.
Manamora ny fifandraisana maneran-tany
Ny olon’ny firenena samihafa/samy hafa dia afaka mifanakalo hevitra amin’ny fomba mahomby amin’ny teny Esperanto. Miteraka fifankahalalana bebe kokoa, fifankahazoana ary fifankatiavana izany.
Fitaovana fanaingana kolontsaina
Misy hira, tononkalo, tantara, seho an-tsehatra, boky aman-gazety, sarimihetsika, video sy hetsika marobe amin’ny teny Esperanto. Tsy teny fotsiny izy fa kolontsaina manokana iarahan’ny esperantista rehetra manangana.
Aiza isika no hianatra Esperanto ?
Amin’ny aterineto
- Lernu.net – Sehatra fanombohana sy famakafakana mampiasa teny maromaro.
- Duolingo – Application malaza amin’ny finday sy solosaina.
- Vondron-tserasera ao amin’ny Facebook, Telegram, Reddit…
Any amin’ireo fikambanana eto an-toerana
Any amin’ny tanàn-dehibe toa an’Antananarivo sy Moramanga dia efa misy klioba sy vondrona fianarana ary mpikarakara hetsika amin’ny Esperanto. Misy koa ireo manome fampianarana amin’ny alalan’ny WhatsApp na e-mail.
Misy olona miteny Esperanto ve eto Madagasikara ?
Eny Tompoko, misy dia misy tokoa! Misy Malagasy maro efa mianatra, mahafehy ary mampiasa Esperanto amin’ny resaka, tafatafa, taratasy, na koa fifanakalozana amin’ny any ivelany. Ao amin’ny Facebook dia misy vondrona « Esperantista malagasy » izay afaka anatevenana fahalalana.
Efa maro ireo Malagasy nandray anjara tamin’ny fivoriana maneran-tany momba ny teny Esperanto ary mampifandray antsika amin’ny namana hafa amin’ny alalan’ity teny tsotra sy mandala fifankahazoana ity.
Manana kolontsaina ve ny Esperanto ?
Eny Tompoko! Efa misy:
- Hira sy tononkalo amin’ny teny Esperanto.
- Gazety, boky sy tantara nosoratana amin’ity teny ity (ary raha isaina ohatra ireo boky voasoratra amin’ny Esperanto dia mihoatra lavitra noho ireo vita tamin’ny teny malagasy).
- Teatra, sarimihetsika, tononkalo, hainteny, tantara voadika na nadika amin’ny teny isan-karazany eto ambonin’ny Tany.
Ny mpampiasa Esperanto dia miezaka mampita sy mamorona kolontsaina iombonan’izao tontolo izao ary isan’izany isika Malagasy.
Nahoana no tokony hianatra Esperanto isika ?
Ny Esperanto dia:
- Mora ianarana, na ho an’ny ankizy na ho an’ny olon-dehibe.
- Mampitovy zo eo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena.
- Mampita kolontsaina mitambatra sy fanajana ny kolontsain’ny hafa.
- Afaka mampifandray antsika Malagasy mora foana sady haingana amin’ny olona maneran-tany.
Raha mitady teny vaovao mora ianarana nefa tena mahasoa, dia azo atao tsara ny manomboka amin’ny Esperanto!
Loharano sy rohy mety ilainao
- https://lernu.net – Fianarana maimaim-poana amin’ny fiteny maro
- https://duolingo.com – Fampiharana fanta-daza amin’ny finday sy solosaina
- https://uea.org – Fikambanana maneran-tany ho an’ny mpiteny Esperanto
- Tsidiho ny vondrona Facebook: “Esperantista malagasy”
