Unuiĝo de Malagasaj Esperantistoj (UME)
Natsangana indray ny 6 Janoary 2024 ary voafidy ny mpikambana ao amin’ny birao mpitantana ka lany ho filoha Ramatoa Ranja saingy noho ny hamaroan’ny andraikitra izay tazoniny dia nametra-pialana izy tamin’ny volana May 2025. Toy izao ny mpikambana ao amin’ny birao :
Filoham-boninahitra : Fidilalao Henriel, Pasitera Miora Raveloharison
Filoha mpisolo toerana vonjimaika : Tatiana Ravololomampionona
Mpitan-tsoratra : Tatiana Ravololomampionona
Mpitahiry vola : Manohimiharitsara Andrianirina (Mihary)
Mpanolotsaina : Erica Rovasoa Felaniaina, Fabrice Rakotoson (Mananara Nord), Hasina Andrianambinintsoa, Farahasina Razafindrabe
Ny vondrona facebook « Esperantista malagasy » no natao hifaneraserana sy hifanomezana vaovao ofisialy.
Kinendrin’ny fikambanana ny hampahafantatra sy hampianatra ny teny Esperanto ho an’ireo izay maniry hianatra izany. Andraikiny koa ny fampanaovana fanadinana ofisialy sy ny fanadinana iraisam-pirenena, ny fikarakarana fihaonambe nasionaly ary ny hetsika hafa isan-karazany.
Afaka miditra ho mpikambana ny esperantista rehetra na avy eto an-toerana na avy any ivelany rehefa nandoa ny latsakemboka sy manaraka ny fitsipika mifehy ny UME.
Malagasa Esperantista Junulara Organizo (MEJO)
Rehefa natsangana ny MEJA (izay niova ho MEJO tamin’ity taona 2025 ity) tamin’ny 2003 dia nikendry ny fandraisana an-tanana ireo hetsika nataon’ny tanora, sampana tanoran’ny UME izy izany. Isan’ny fikambanana nitondra fampandrosoana ho an’ny Esperanto teto Madagasikara ny MEJA, marobe ny hetsika ara-kolotsaina vitany ankoatra ny asa fampianarana Esperanto ho an’ny tanora. Ny fihaonan’ny esperantista malagasy tamin’ny Janoary 2024 teny Avaradrano no namelomana indray ity fikambanana ity ka toy izao ny birao mpitantana azy :
Filoha: Mihary
Mpitan-tsoratra: Tatiana
Mpitahiry vola: Ranja
Mpanolotsaina: Erica
Zava-kinendrin’ny MEJA ny fampiasana ny Esperanto eo amin’ny sehatry ny fanatanjahan-tena, ny kolotsaina ary ny serasera eo amin’ny samy tanora. Afaka miditra ho mpikambana ao amin’ny MEJA ireo esperantista eto an-toerana na avy any ivelany latsaky ny 30 taona.
Malagasa Unuiĝo de Katolikaj Esperantistoj (MUKE)
Filoha : Ravoniarimanana Haliarinoro
Mpitantsoratra: Randrianavalona Lahatriniaina Mampionona
Mpitahiry vola : Andriamasinoro Raymonde Victorine
Ireo tanjon’ny MUKE :
-Fampivondronana ny katolika esperantista malagasy
-Fampitomboana ny fifankatiavana, firahalahiana eo amin’ny mpikambana
-Fanapariahana ny teny Esperanto eo amin’ny kristianina katolika
-Fanomezan-danja ny fifanakalozana ara-panahy sy ara-kolontsaina eo amin’ny mpikambana
Asa (n)atao :
-Fiaraha-mivavaka @ teny Esperanto
-Fifampizarana trai-kefa amin’ny fiainana maha-kristianina
-Fihaonana mivantana, sy aram-pitaovan-tserasera
-Fanatsarana ny fahaizana teny Esperanto amin’ny alalan’ny Tenin’ny Soratra Masina
IREO KILIOBA SAMIHAFA
ESPERANTO-KLUBO FIADANANA (EKFI)
Mpitarika : Andriamasinoro Raymonde Victorine
Mpitan-tsoratra: Hantarimanana Lydia
Mpitahiry vola : Eulalie Rasoanantenaina
Mpanolotsaina: Mikanto Fitia
Mpikambana : 25 isa (mitokana ny lehibe sy ny madinika)
Herintaona sy tapany izay no niorenany
Ny ahaizan’ny olona miteny sy mampiasa ny Esperanto no tanjona, ny hiparitahan’io eto amin’ny sehatry ny fiangonanay eto amin’ny EKAR SOANIERANA.
Asa fanaonay ato anaty kilioba :
- Mianatra ny abidia Esperanto
- Voambolana mahakasika : loko, fitaovana an-dakozia, fitaovana an-trano, voankazo, toetr’andro, fahasalamana, karazana asa, …
- Mianatra ireo mpamaritoetra, accusatif, tovona sy tovana
- Ireo matoanteny
- Mamorona fehezanteny
- Mianatra hira
- Mandray anjara amin’ny vakiteny sy vavaka amin’ny teny Esperanto any am-piangonana.
ITAOSY ESPERANTO-KLUBO (IEK)
Efa niorina tany amin’ny taona 2013 tany ary tao Avaratsena Ambohidrapeto no foibeny saingy nifindra taty Antoetra Ambohidrapeto ankehitriny. Efa niara-niasa tamin’ny sekoly anglikana teto Ambohidrapeto ny kilioba ary nindrana efitrano tao isaky ny Asabotsy hariva. I Henriel no mpampianatra sy mpanetsika ny kilioba hatrizay ary efa maro ireo tanora novolavolain’ny IEK. Ankoatra ny asa fampianarana mivantana dia mikarakara fampianarana am-pitain-davitra koa ny kilioba, efa nampanao fanadinana indray mandeha. Fa ny ezaka lehibe indrindra dia ny fanohanana azon’ny IEK avy tany ivelany mba ahafahan’ireo tanora maromaro manohy fianarana eny amin’ny oniversite na koa manaraka fiofanana arak’asa. Isan’ny tanora nisongadina avy tato amin’ny IEK ry Tatiana (master en agro-industrie), Erica (master en informatique), Docteur Rija (spécialiste en ORL), Nantenaina (électrotechnicien) sns. Mampiavaka ny IEK ihany koa ny fananany boky marobe, raki-peo sy raki-tsary ary rakibolana isan-karazany izay azon’ny mpianatra ampiasaina.
BEMASOANDRO ESPERANTO-KLUBO (BEKO)
Toerana : Ampasika Itaosy
Mpanentana sady mpampianatra : Tatiana
Ny tanjonay dia ny hampivondrona ny olona amin’ny alalan’ny Esperanto, hanaparitaka azy mba ho isan’ny teny tetezana hifankahazoana, ary hamorona tontolo milamina sy sariaka ho an’ny fianarana sy ny fiarahana.
Fampianarana
Faharetany : 30mn
Andro : Asabotsy
| Ora | 9h – 9h30mn |
| Fampianarana | 15mn : Lesona, fampiasana |
| Hetsika isan-karazany | 15mn : Hira, lalao, tsianjery, dihy |
VERDA INSULO DE ESPERANTO (VIE)
2022: Niforona ny klioba VIE na Verda Insulo de Esperanto, ao Anosibe, izay misy mpianatra 40 hatramin’izao.
ESPERANTO-KLUBO DE ANDOHARANOFOTSY
2023 : Niforona ihany koa ny Klioba Andoharanofotsy izay misy mpianatra 5 Tarihin’i Ranja
Zamenhofa AMikaro de Esperanto Asocio (ZAMA)
Efa taona iray izao no nitsanganan’ny ZAMA (Zamenhofa AMikaro de Esperanto Asocio) teto Mananara niaraka tamin’ny mpianatra valo isa. Kendreny ny hampianatra sy hanaparitaka ny teny Esperanto, hampiaina ny fomba fiasan’ny skoty ary haneho koa ny tantaran’ny Madagasikara. Tohanan’ny ZAMA ihany koa ny fanabeazana ireo ankizy. Ny anarana hoe ZAMA dia misy dikany roa : « dadatoa » amin’ny fitenim-paritra ary fanafohezana ny hoe Zamenhof. Ao anatin’ny birao mpitantana no ahitana ny filoha Fabrice Rakotoson sy ny filoha lefitra Marie Elianne Hajasoa ary ireo mpikambana hafa. Ahitana ankizy 7, tanora 20, olon-dehibe 9 ary mpianatra 5 manaraka fampianarana ampitain-davitra ato amin’ny ZAMA.
