NAHOANA AHO NO NISAFIDY NY ESPERANTO ?

HOBY

‎Hoby no anarako, 22 taona aho izao. Mpianatra taona faha-4 eny @ Oniversite ao amin’ny sampam-piofanana « Information et Communication », ary mipetraka eny Fiadanana. Izay ny momba ahy raha fintinina fohifohy. 

Tato ho ato dia miroborobo mihitsy ity teny iray ity satria efa maro ny olona no manomboka liana mianatra azy, ary mino aho fa tsy ho ela dia hiroborobo fatratra izy ary hitondra fampandrosoana sy lalana ho antsika koa. 

‎Afaka manampy ny olona samy hafa sady entina ihany koa hifandraisana amin’ny olona marobe manerantany. Ao anatin’izany dia misy fifanakalozana ara-kolotsaina sy sehatry ny fampianarana.  

‎Misy « opportunités »  marobe ihany koa ao ambadik’ilay izy rehefa tena hifantohana.

‎Mankasitraka indrindra.

‎Ho ela velona anie ny Esperanto.

Nanomboka nianatra Esperanto aho tamin’ny janoary 2026 tao amin’ny klioba EKFI (Esperanto-Klubo Fiadanana). Teny mbola tsy fantatro mihitsy ny fisian’ io teny io taloha, fa vao tamin’ity taona ity aho no nandre momba azy.

‎- Voalohany indrindra, nisafidy hianatra ny teny Esperanto aho satria tiako raha ho lasa “polyglotte” aho. Ankoatra ny Esperanto dia mianatra tenim-pirenena hafa ihany koa aho amin’izao. 

‎- Faharoa, satria araka ny efa nolazaiko teny am-piandohana dia  mpianatra momba ny “Communication” aho, io “filière” io izay mitaky fahaizana (fi)teny maro dia mino aho fa ilaina ao anatin’izay ny Esperanto. Ary ahafahako ihany koa mivelatra bebe kokoa amin’io sehatra io.

‎- Farany, izay tena zava-dehibe dia satria « langue internationale » izy io. Amin’ny maha internasionaly azy izay de ampiasain’ny olona rehetra manerantany. Raha mitaha amin’ny teny hafa dia hoe mora izy, na ny voambolana hampiasaina, na ny matoateny hampiasaina sy ny sisa dia tena namoraina mihitsy. Izany no anisan’ny anankiray tena mahasarika ahy taminy. Mety amin’ny olona rehetra izany ny mianatra aza e, tsy mifidy taona. 

NASANDRATRA PATRICK

Nifidy ny Esperanto aho satria mino ny fihavanana sy firaisankina manerantany izay raketin’ny tantarany. Ity teny ity dia tsy fananan’ny firenena matanjaka iray manokana, fa teny natao ho an’ny olombelona rehetra, Ao anatin’ny tontolo feno fifandraisana sy firaisankina, ny Esperanto dia tsangan-kevitra velona mampianatra antsika fa iray ihany ny olombelona.

Tamin’ny voalohany dia somary gaga sy talanjona ihany aho raha nandre ny teny Esperanto tamin’ny alalan’ny Directrice tao amin’ny sekoly Ile aux enfants. Izy no nampianatra an’io teny io tao amin’ilay sekoly .Tsy nijanona tamin’ny fandrenesana fotsiny aho fa niditra nandalina ny fitsipika fototra mifehy azy ary koa ny fizotry ny tantarany. Ny tena nahaliana ahy tamin’ny fianarana azy dia ny tsy fisian’ny karazana fitsipika maro be, fa tena mora ianarana tokoa ny Esperanto. Traikefa azoko tamin’io dia lasa nahay nifandray amin’ny olona samy hafa firenena amiko aho. Nanjary nampivoitra talenta toy ny fanoratana tononkalo ihany koa izy. Ry tanora malagasy namako, mianara teny Esperanto fa io teny io dia mampiray antsika olombelona. Mora ianarana tokoa izy io, ahazoana namana vaovao, mampisy fifandraisana iraisam-pirenena. Tanora iray isika ka tokony ho tanora mifandray.

JENNA

Hatramin’ny fahazazako dia efa tena liana tamin’ny fianarana teny vahiny sy ny kolontsaina samihafa aho. Tiako ny mahafantatra ny fomba fiainan’ny olona any amin’ny firenena hafa sy ny fomba fifandraisan’izy ireo. Noho izany dia niezaka nianatra teny vahiny maromaro aho, satria mino aho fa ny (fi)teny dia fanalahidin’ny fahalalana sy ny fifankahazoana eo amin’ny olona.

Rehefa nandeha ny fotoana dia nahafantatra ny fisian’ny teny Esperanto aho. Tamin’ny voalohany dia gaga aho satria tsy mbola naheno firy momba azy. Rehefa nanao fikarohana bebe kokoa anefa aho dia hitako fa teny noforonina mba hanamora ny fifandraisana eo amin’ny olona avy amin’ny firenena samihafa izy io. Nahasarika ahy avy hatrany izany hevitra izany, satria mifanaraka amin’ny fahalianako amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena sy ny kolontsaina maro samihafa.

Nisafidy ny hianatra ny teny Esperanto aho satria hitako fa mora ianarana izy raha oharina amin’ny teny maro hafa. Tsotra ny fitsipi-pitenenany ary voalamina tsara ny voambolany. Izany dia nahatonga ahy hahatsapa fahafinaretana nandritra ny fianarana azy ary nampitombo ny fahalianako hiroso lalindalina kokoa.

Ankoatra ny maha-mora azy dia nahasarika ahy koa ny vondrom-piaraha-monina Esperanto. Hita fa misy olona avy amin’ny lafivalon’izao tontolo izao mampiasa ity teny ity mba hifandraisana sy hifampizarana traikefa. Amin’ny alalan’ny Esperanto dia afaka miresaka amin’ny olona avy amin’ny kolontsaina samihafa aho, mianatra ny fomba fijeriny ary manitatra ny fahalalako momba izao tontolo izao.

Ho ahy dia tsy fiteny fotsiny ny Esperanto. Fitaovana ahafahana mampifandray olona sy mampiroborobo ny fifankahazoana izy. Mino aho fa rehefa mifampiresaka ny olona dia mora kokoa ny mifankahazo sy mifanaja, na dia samy hafa fiaviana sy kolontsaina aza.

Izany rehetra izany no antony nanosika ahy hisafidy ny hianatra ny teny Esperanto. Faly aho fa nahita ity teny ity, satria tsy vitan’ny hoe nanampy ahy hianatra teny vaovao izy fa nanokatra varavarana ho amin’ny namana vaovao, kolontsaina vaovao ary fahafahana vaovao ihany koa. Amin’ny hoavy dia maniry ny hanohy hampiasa sy hampiroborobo ny Esperanto aho, satria izaho dia mino ny lanjany amin’ny fanamafisana ny fifandraisana eo amin’ny olona maneran-tany.

ODILON

Ny làlako mankany amin’ny tontolon’ny Esperanto dia tsy vokatry ny kisendrasendra fotsiny, fa toy ny antso avy amin’ny tontolo kanto iray izay niandry ny fotoana hifohazany. Indray andro raha tafaraka tao amin’ny tranon’i Tantine anay izaho sy ny cousin-ko izay mianatra ity teny ity, dia nahita ny kahie-ny maromaro nifanongoho teo ambony latabatra aho. Nahatsikaritra boky iray miloko maitso tanatin’ireo aho ka tsy nisalasala nandray izany. Hitako tamin’izay ny soratra lehibe teo ivelan’io boky io hoe: « ESPERANTO », tsapako teo ny tsy fahalalako, gaga aho nandinika hoe inona ny dikan’izany, mbola tsy nandalo teo ambany masoko mihitsy manko izany teny izany; ny tena marina mbola tsy ren’ny sofiko akory. Nanontany ny cousin-ko izay dikany sy mety ho heviny aho. Rehefa nohazavainy tsara moa dia azoko ary nanomboka liana aho. Tsy niandry ela fa nianatra tsikelikely avy hatrany aho ary nazoto nanao fampiharana taminy arak’izay lesona nomeny ahy. Tsapako hoe mora kokoa ny mianatra azy raha oharina amin’ireo teny hafa ka tsara ny vokatra azoko.

Taty aoriana moa dia nentin’io cousin-ko io niaraka nianatra taminy amin’izay aho ka nazoto erÿ. Rehefa teny am-pianarana dia nahafinaritra ny firahalahiana sy fifankahazoana am-po teo amin’ny mpianatra sy ny mampianatra, nampitombo ny fahazotoana izay efa namelana tato anatiko izany.

Lasa nafana fo tamin’ny ity fianarana ity mihitsy aho ary rehefa nanatrika ireny hetsika izay tanterahan’ny Esperantista ireny dia hItako fa voatazona eny amin’ny fiteny sy toetran’ny Esperantista tsirairay ny firaisan-kina, fifankahazoana am-po. Izany indrindra no toa tanana iray nihazona ahy mandrak’ankehitriny hilomano bebe kokoa ao anatin’ity tontolon’ny Esperanto ity. Ary ankehitriny, vao mahare ny teny hoe: « ESPERANTO » izany, dia toa zaridaina Iray maintso mavana voaravaka voninkazo maro loko, hifalian’ireo lolo sy voro-manidina ary vangivangian’ny renin-tantely, izany avy hatrany no ao an-tsaiko ka manosika ahy hitsidika izany matetika mba hisintonana hery sy rivo-baovao indray hiatrehana am-pitsikiana ny hoavy.

swipe-left
Ati-vilany
Retour en haut