LESONA FANOMBOHANA
Mikarakara fampianarana Esperanto azo atrehina mivantana na koa am-pitain-davitra amin’ny alalan’ny adiresy mailaka ny fikambanana nasionaly UME. Indro atolotray eto ny lesona voalohany amin’ny fianarana ny teny Esperanto miaraka amin’ny fampiasana.
Tanjona roa no kendrena amin’ity lesona ity:
- Ny fifehezana ny fanononana ireo litera vitsivitsy hita amin’ny teny Esperanto
- Ny fifehezana ny tsindrim-peo mampiavaka ny Esperanto
Misy voambolana fototra koa omenay eto mba ahafahan’izay liana hamita ity lesona voalohany ity. Ilaina ny mihaino tsara ny fomba fanononana ireo voambolana sy fehezanteny hita ao amin’ny lesona. Mahaiza ihany koa maka tahaka ny modely omen’ny mpampianatra.
Aza misalasala mandefa hafatra aty aminay raha misy zavatra tsy hay na tsy mazava. Mazotoa mianatra Esperanto e!
Raha te-hanohy lalindalina kokoa...
Asa raha tsapanareo tamin’iny lesona voalohany iny fa tsy dia sarotra akory ny fianarana ny teny Esperanto. Ny fandaharam-pianarana narafitry ny fikambanana UME dia mifantoka indrindra amin’ny fifehezana ny fanononana ireo litera vitsivitsy ary koa ny tsindrim-peo mampiavaka ny Esperanto ho an’ny lesona dimy voalohany. Ampidirina tsikelikely koa ireo voambolana sy fianarana ny fitsipi-pitenenana.
Dingana amin’ny fandaharam-pianarana
Mizara dingana telo ny fandaharam-pianarana:
- ny vao manomboka
- ny efa mandroso
- ny efa lasa lavidavitra
Ankoatra ny lesona dia misy fampiasana an-tsoratra sy am-bava, lahatsoratra isan-karazany, video ary horonam-peo mba hanafainganana ny fifehezana ity teny ity. Rehefa mandroso ny fahaizan’ny mpianatra dia ampianarina hiserasera amin’ireo esperantista eto an-toerana sy any ivelany izy, amin’ny alalan’ny teknolojia vaovao.
Fitaovana sy fanohanana
Afaka mamaky sy mindrana boky sy rakibolana ireo mpikambana ao amin’ny kilioba. Mety ahitana fitaovana manokana ho an’ny esperantista koa ireo toerana ireo.
Karazana fampianarana
Fampianarana mivantana
Ao ny fampianarana mivantana eny amin’ireo kilioba samihafa miaraka amin’ny mpampianatra na mpanentana. Samy manana ny fitsipika hifampifehezany ny kilioba tsirairay, fa anjaran’ilay mpianatra no manatona ny mpiandraikitra.
Fampianarana am-pitain-davitra
Misy koa ny fampianarana am-pitain-davitra amin’ny alalan’ny mailaka, WhatsApp ary Messenger. Alefa video mp4 sy tahirin-kevitra Word na PDF. Ireo mpianatra lavitra no tena misitraka izany. Ny fampiasana rehetra alefan’ny mpianatra dia tsaraina. Ny tsy famerenana ny fampiasana hotsarain’ny mpampianatra dia mety hitarika sazy: fanapahana na fanafoanana ny fianarana.
Henriel no mpikarakara sy mitsara ny fampiasana rehetra amin’ity fomba fampianarana ity. Misy sarany kely hanonerana ny saran’ny lesona sy Aterineto.
Ny Fanadinana sy ny filazam-pahaizana
Fanadinana eto an-toerana
Ny kilioba tsirairay dia afaka mampanao adina fitsapana sy manome fanamarinana amin’ireo mpiadina. Ny fikambanana nasionaly UME kosa no mampanao ny fanadinana lehibe ho an’ny faritra iray na ho an’ny toerana rehetra.
Fanadinana iraisam-pirenena
Ao koa ny Internacia Ekzameno, fanadinana iraisam-pirenena ahitana adina an-tsoratra, fitsipi-pitenenana, ary adina am-bava. Tsy maintsy mahatratra naoty ambony ny mpiadina. Tamin’ny 2008 no nisy farany teto Madagasikara izy ity. Misy endri-panadinana hafa vaovao ankehitriny amin’ny alalan’ny video am-pitain-davitra, saingy mbola sarotra ampiharina eto izany.
Filazam-pahaizana
Rehefa afaka amin’ny fanadinana, dia mahazo filazam-pahaizana iraisam-pirenena mitovy lenta na aiza na aiza. Alefa any amin’ny foibe mpikarakara ny valim-panadinana ny taratasim-panadinana efa voatsara teto, mbola haverina tsaraina any ary ry zareo no mamoaka amin’ny fomba ofisialy ny lisitr’ireo mpiadina afaka.
Mpampianatra sy fanofanana
Ekena fa mbola vitsy ny mpampianatra teny Esperanto eto Madagasikara. Saingy miezaka ny fikambanana nasionaly UME manofana ireo tanora efa mandroso. Tao anatin’ny taona vitsivitsy dia niakatra ny lenta sy ny fahaizan’ny mpianatra, izay manosika antsika hanatsara hatrany ny fomba fiasa.
Aza manahy
Hampianay ianao e!
Rehefa mitsidika kilioba esperantista ianao dia ho tsapanao ny hafanan'ny fandraisan'ireo tanora namana anao. Na dia vao manomboka mianatra aza ianao dia hampian'izy ireo satria izany fifanampiana izany indrindra no toe-tsaina esperantista. Aza matahotra ary fa tsy irery ianao amin'ny fandratoanao ity fahalalana vaovao ity.
RAKIBOLANA Esperanto-malagasy
Efa nisy ihany ireo boky misy voambolana Esperanto-malagasy nosoratan’ireo zoky teo aloha saingy tsy voatonta izy ireny fa nijanona tanaty vatasarihana tany fotsiny. Noho izany, niankin-doha betsaka tamin’ny fampiasana rakibolana avy tany Frantsa isika. Tsapa anefa fa mihena tsikelikely ny fifehezan’ny tanora malagasy ny teny frantsay ka zary lasa olana ny fampiasana rakibolana Français-Esperanto-français. Izany indrindra no nahatonga ny UME nandray fanapahan-kevitra tamin’ny kongresy tany Antsirabe (2005) ny hamoahana rakibolana Esperanto ho an’ny Malagasy. Noraisin’i Henriel an-tanana ny fanoratana azy saingy miadana dia miadana ny fanomanana ilay rakibolana noho ireo asa marobe mbola sahaniny. Indro asehonay eto ny ampahany amin’ny asa efa vita. Ny tanjona moa dia ny hanomezana fitaovana ny tanora mba ahafahan’izy ireo mamaky lahatsoratra tsotsotra ary koa ny fahafahan’izy ireo mamorona lahatsoratra mikasika ny fiainana an-davanandro. Noezahina ho rakibolana tsotsotra ihany aloha no hiaingana fa azo atao koa ny manatsara sy manatevina azy. Ny faniriana aza dia ny mba hisian’ny rakibolana malagasy-Esperanto ary maninona moa raha mba mamoaka rakibolana elektrônika mihintsy isika ho fanatevenana ny kolotsaina malagasy sy ny kolotsaina Esperanto ? Andraikitra ampitaina amin’ireo zandry zanaka izany rehetra izany.
