VAOVAO SAMIHAFA
Hira iray amin'ny teny Esperanto
Ĵomart sy Nataŝa dia mpivady avy any Kazaksthan izay malaza tokoa eo amin’ny sehatry ny mozika amin’ny teny Esperanto. Efa niara-nanao mozika izy ireo hatramin’ny taona 1980, ary ankehitriny dia nisafidy ny honina any Soeda. Miompana amin’ny fitiavana, fiainana anaty, ary fihetseham-po lalina ny hira ataon’izy ireo miaraka amin’ny feo malefaka arahan’ny gitara tsotra.
Ity hira “Ĉu vi volas danci” (Te-handihy ve ianao ?) ity dia manasa ny mpihaino mba hiara-hientana, hifandray amin’ny hafa amin’ny alalan’ny dihy sy fiainana. Amin’ny fomba tsotra sy mahafinaritra no isehoan’izany, hany ka feno hafaliana sy fiaraha-mientana ilay hira.
Manambara koa ity hira ity fa na dia amin’ny teny Esperanto aza no ikaloana azy, dia mitondra hafatra maneran-tany izy : fifandraisana sy hafaliana amin’ny alalan’ny dihy sy mozika.
ATI-VILANY
Ny atao hoe teny Esperanto
Teny noforonina manokana ho an’ny fifandraisana iraisam-pirenena ny Esperanto. Tsy avy amin’ny firenena iray izy fa natao ho teny fanampiny ho an’ny olona rehetra, manamora ny fifankahazoana, tsy misy fanavakavahana, ary indrindra mora ianarana. Tsy mihevitra velively ny hanolo ny teny sy fiteny natoraly izy, fa entina kosa hanampy azy.
Iza no namorona ny teny Esperanto ?
Ny Esperanto dia noforonin’i Dokotera Ludwik Lejzer Zamenhof, mpitsabo maso avy any Polonina. Namoaka boky iray izy tamin’ny taona 1887, niaraka tamin’ny solon’anarana hoe “Doktoro Esperanto”, midika hoe “Dokotera Manantena/feno fanantenana”. Izany anarana izany no nanjary lasa anaran’ilay teny vaovao. Nirian’i Zamenhof ny hisian’ny teny iray mora ianarana sy tsy mitanila, mba hisorohana ny tsy fifankahazoana sy ny fifandirana noho ny ny (fi)teny sy foko samy hafa.
Ahoana ny fivoaran’ny Esperanto hatramin’izay ?
Rehefa navoaka ny bokin’i Zamenhof, dia niely tsikelikely tany Eoropa ilay teny. Tamin’ny 1908 dia natsangana ny fikambanana lehibe Universala Esperanto-Asocio (UEA). Efa ela no nisy gazety sy boky amin’ity teny ity, ary amin’izao fotoana izao dia hita amin’ny aterineto, amin’ny tambajotra sosialy, na amin’ny applications-n’ny finday ny fianarana azy.
Ankehitriny ary dia olona an’hetsiny maro avy amin’ny firenena marobe no mampiasa azy, ary efa maro sy efa mahazatra ny fivoriana iraisam-pirenena izay mampiasa sy mifaneraserana amin’ny teny Esperanto.
Inona no mampiavaka ny teny Esperanto ?
- Teny tsotra sy manaraka fitsipika mazava (16 isa ny fitsipika fototra napetraky Zamenhof).
- Ny fanononana dia mifanentana amin’ny fanoratana.
- Afaka mamorona teny vaovao amin’ny fanampiana tovona, tovana ary fototeny.
- Tsy misy anarana manavaka lahy sy vavy, afa-tsy amin’ny filàna manokana.
- Tsy miova ny fototeny rehefa manisy tovona na tovana.
