Fintina momba ny Esperanto eto Madagasikara

Ireo tahirin-dahatsoratry ny UEA ao Roterdama dia ahitana fa efa nisy esperantista teto Madagasikara tany amin’ny voalohandohan’ny taonjato faha-20, miaramila frantsay mpampandry tany ny ankamaroan’izy ireo. Ohatra, taona 1911 : 60, taona 1921 : 54. Tsy voafaritra mazava anefa ny fotoana nidiran’ny Esperanto teto amintsika fa rehefa nanontaniana kosa ireo esperantista tranainy dia nilaza fa isan’ny nitondra ny Esperanto teto ny pastora Ravelojaona, misy koa tahirin-kevitra hita any amin’ny Aterineto izay milaza fa isan’ny nahafehy ny teny Esperanto ny mpanoratra toa an’ i J.J. Rabearivelo (cf. Tah B. (2008, 25 avril). Rabearivelo – Zava mahagaga ny fiainana. [Blog]. Repéré à http://tahbumaye.unblog.fr/2008/04/25/rabearivelony-zava-mahagaga-ny-fiainana/), Paul Rapatsalahy (Idealy Soa) …

Azo zaraina vanim-potoana maromaro ny famintinana ny tantaran’ny Esperanto eto Madagasikara, fizarana izay nentina hanamorana fotsiny ny fandrindrana ny fitantarana no atolotray eto.

Vanim-potoana voalohany

Toy izay hita tany amin’ny tany afrikana hafa dia vazaha fotsy hoditra no esperantista voalohany taty amintsika. Ny tahirin-kevitra samihafa dia nanamarika ohatra fa tany Diégo-Suarez, Majunga ary Tananarive dia nahitana esperantista maromaro tany amin’ny taona 1905 tany. Nisy anarana toa an-dry Razafisahaza, Ratefiarison, Gervais Botolelahy, dokotera Bouillat… no fantatra fa nanangana fikambanana teto tamin’ny 1909. Efa marobe ireo mpianatra nampanalana fanadinana tamin’izany ary nahazo ny filazam-pahaizana Atesto pri kapableco. Gervais Botolelahy, mpampianatra tany Manakara dia nanoratra ilay boky hoe Fanalahidin’ny Esperanto tamin’ny taona 1933 tany.

Vanim-potoana faharoa

Tamin’ny 9 Janoary 1959 no natao ny fivoariana nananganana ny fikambanana nasionaly voalohany teo Madagasikara. Ilay Frantsay Henri Rousseau, mpiasan’ny ASECNA sady mpampianatra Esperanto, no nitantana ny fivoriana. ESPERANTISTA ASOCIO DE MADAGASKARO (EAM) no anarana nentiny tamin’izany ka toy izao ny birao mpitantana :

Filoha : Randrianasolo Gervais (Minisitry ny Angovo tamin’izany fotoana izany)

Filoha lefitra : Bourgeois Maurice

Mpitahiry vola : Ramanitra Henri

Mpanolotsaina : Ramialison Laurent, Razafindramiandra Germain

Ny Esperantista malagasy kosa no anaran’ny gazety nifampitana vaovao kaj Rasoanaivo Frédéric no niandraikitra izany.

Tafatsangana tamin’ny taona 1962 ny FIKAMBANAN’NY ESPERANTISTA TANORA MALAGASY (FIESTAMA) izay fantatra amin’ny teny Esperanto hoe JUNULARA ESPERANTISTA ORGANIZO DE MADAGASKARO (JEOM) , sampan’ny TEJO (fikambanan’ny tanora esperantista manerantany) teto amintsika. Raveloson Eugène no filoha mpitarika izany ary nokendren’ny fikambanana ny hampiharan’ny tanora ny Esperanto eo amin’ny sehatry ny fialam-boly sy ny fanatanjahan-tena.

Niroborobo koa ny fikambanana hafa toy ny Esperanto katôlika eto Madagasikara (AKEM) ka Randrianekena Roger izay « lauréat du concours national d’Espéranto » no nitarika ilay fikambanana.

Raha ny momba ny fampianarana indray dia samy niezaka nanaparitaka izay efa nahafehy ilay teny. Randrianekena Roger moa dia nampianatra nandritra ny folo andro teo avy teny Faravohitra sy tany Toamasina ny volana Jolay 1963 ankoatra ny fampianarana nomeny tany Ambatondrazaka izay toerana nonenany. Raveloson Eugène kosa nanao fampianarana am-pitain-davitra ho an’ireo izay nila izany.

Taty aoriana dia nitsangana koa ny fikambanana MALAGASA ESPERANTO-ASOCIO (MEA) notarihan-dRabevazaha Désiré, izay nikely aina fatratra nanaparitaka ny Esperanto teny amin’ny oniversite.

Ny fiezahana hampijoro fikambanana maromaro toy izany dia midika finiavana hampandroso ilay teny nefa, etsy an-kilan’izany, dia mety nampizarazara ny hery ihany koa. Ny lahatsoratra an-gazetin’ny Madagascar Matin, Le Courrier de Madagascar, Midi Madagasikara… tamin’izany fotoana izany no nahitana taratra ireo hetsika nataon’ny tanora esperantista toa an-dRabevazaha Désiré, izay nodimbiasan-dRandrianarivelo Bruno taty aoriana, notronin’ny zokibe toa an-dRakotondravao. Nisy mihintsy aza gazety isan-kerinandro toy ny Fandriam-pahalemana izay nanolotra sombin-desona teny Esperanto ho an’ny mpamaky.

Taorian’izay anefa dia somary natoritory ny fikambanana ary tsy henoheno intsony koa ireo mpianatra marobe tany amin’ny Faritra noho ny antony maro samihafa.

Vanim-potoana fahatelo : 1995-2008

Noho ny fahatsapana fa natoritory ny hetsika esperantista teto amintsika dia tapa-kevitra Raveloson Eugène, Ralalarisoa Justine ary Fidilalao Henriel hikaroka sy hamondrona indray ireo esperantista malagasy. Voatahirin-dRaveloson ireo adiresy marobe ka nanamora ny fiantsoana ireo esperantista teo aloha hanatrika ilay fivoariam-be natao tany Manjakandriana ny volana Aogositra 1997. Isan’ny lohahevitra tamin’izany ny fananganana fikambanana tena nasionaly. Manjakandriana moa tamin’izany dia efa nahitana kilioba matanjaka sy esperantista mafana fo toa an-dRafanomezantsoa Falimanana (Fafah), Ralaimidona Soafara Lalaina, Miora, Ramatoa Rachelle… Voatsangana tamin’io fivoriana io ary ny MALAGASA ESPERANTO-UNUIĜO (MEU) ka voafidy ho filoha Ralalarisoa Justine.

Niezaka nampianatra teto an-drenivohitra ireo izay rehetra afaka nanao izany. Notohizana koa ny fampianarana nampitain-davitra. Isaky ny roa taona ny kongresy ka ny taona 1998 no natao ny fihaonam-be voalohany teny amin’ny Kolejy Paul Minault Androhibe. Nisy koa ny fampanaovana voalohany ny fanadinana iraisam-pirenena (Internacia Ekzameno de UEA/ILEI) ary ny fanavaozana ny birao mpitantana ny MEU.

Nitambatra ho fikambanana iray ny esperantista malagasy ka lasa hoe UNUIĜO DE MALAGASAJ ESPERANTISTOJ (UME) ny anarany ny 20/04/2001. Esperantista avy tamin’ny MEA sy ny MEU no niara-namolavola sy nanapaka ny sori-dalana harahin’ny UME, ny fitsipika fototra ary ny fomba fiasa. Voafidy ho filohan’ny fikambanana indray Ralalarisoa Justine. Isaky ny roa taona ny fihaonam-be sady fanavaozana ny birao. Tamin’ny 2005 kosa dia i Fidilalao Henriel no voafidy ho filoha mpitarika, novana ho isaky ny telo taona ny kongresy ary telo taona koa ny fotoam-piasan’ny birao. Teo amin’ny lafiny serasera dia nohamafisina ny ezaka efa natao. Inter ni no gazety isan-telo volana nataon-dRaveloson ary nikendry ireo mpamaky any ivelan’ny Madagasikara. Ny Voĉo de UME kosa no nifandimbiasan’i Lala sy Henriel notantanana ary natao hifampitam-baovao amin’ireo kilioba maro eran’ny Nosy. Nivoaka isaky ny roa volana io gazety io.

Tsapan’ny UME fa ilaina ny fanomanana ny tany ketsa mba handimby ireo zoky am-perinasa koa dia natao ny fanentanana ny amin’ny fananganana ny sampana tanora. Isan’ny zava-dehibe nipoitra tamin’ny kongresy tamin’ny taona 2000 tao Androhibe ny MALAGASA ESPERANTO JUNULARA ASOCIO (MEJA) izay notarihan’i Ando (faravavin’i Lala). Nanao hetsika marobe ho fampahafantarana ny Esperanto ny MEJA, nampiasa ny Esperanto tamin’ny hira, fitoriana ny Filazantsara, fampianarana…

Vanim-potoana fahaefatra : 2009-2015

Zava-doza ho an’ny Esperanto teto amintsika ireny nitranga tamin’ny 2009 ireny ka naharava ireo ezaka rehetra efa vita. Niparitaka avokoa ireo tanora niankinan’ny fandrosoanan’ny Esperanto, lasa nanambady ny ankamaroany ary nahita asa any amin’ny Faritra ny sasany. Niverina natoritory indray ny fikambanana ka izay indrindra no nahatonga an’i Henriel nampanao kongresy nasionaly kely. Solontena roapolo avy amin’ny lafivalon’ny Madagasikara no tonga teny Ivato, nikaon-doha sy nianatra ary samy nanantena ny rehetra fa hiainga indray ny hetsika esperantista.

Vanim-potoana fahadimy : 2015-2024

Tsy nisy tohiny anefa izany. Ny hany azo natao dia ny fampihodinana ireo kilioba toy ny TANA ESPERANTO-KLUBO (TEK) notarihan’i Lala teny Manjakaray sy ny ITAOSY ESPERANTO-KLUBO (IEK) izay iandraiketan’i Henriel eny Itaosy. Notsindriana mafy ny lafiny fampianarana mba hamokarana esperantista vaovao, izay tena mahafehy ny teny Esperanto. Lasa tanora andrin’ny hetsika esperantista eto Madagasikara ny ankamaroan’izy ireo amin’izao fotoana izao. Isan’ireny ry Mihary, Tatiana, Erica, Ranja … izay mitondra avo ny fanilon’ny Esperanto eto Madagasikara hatrany ivelany any. Maro koa ireo tanora afaka bakalaorea no nahazo fanohanana ara-bola tamin’ireo esperantista namany tany ivelany mba ahafahan’izy ireo manohy fianarana hany ka tena nanova ny fiainan’izy ireny ny teny Esperanto.

Vanim-potoana fahaenina : 2024-…

Ny volana Janoary 2024 dia nanomana kongresy nasionaly i Pasitera Miora ka natao teny Avaradrano izany ary nahitana mpandray anjara marobe. Nomena fanofanana amin’ny fampianarana Esperanto koa ny tanora vitsivitsy. Natsangana tamin’ny fomba ofisialy indray ny UME ary novelomina koa ny MEJA sy ny fikambanana katolika MUKE (MALAGASA UNUIĜO DE KATOLIKAJ ESPERANTISTOJ). Ny volana Martsa taorian’io dia nokarakaraina koa ny semineran’ny esperantista kristiana ary tonga nanatrika izany ny namana avy any Alemaina Ulrich Matthias. Navitrika ny mpivory hany ka ny volana Martsa 2025 dia natao indray ny seminera kristiana teny akaikin’ny seranam-piaramanidina Ivato no sady nasiana fanofanana hampianatra Esperanto koa. Vahiny roa moa no isan’ny nandray anjara tamin’izany.

Marina fa efa ela ihany izany ny Esperanto no niditra teto amintsika nefa mbola vitsy no mahafantatra sy mahafehy ity teny ity. Maro no antony mahatonga izany fa izay azo amafisina dia izao, tsapan’ireo izay mahafehy ny teny Esperanto ny zava-tsoa entin’ity teny ity ho azy ireo. Mahavelom-panantenana fa maro ireo tanora no miezaka hianatra teny Esperanto na dia tsy ampy aza ny fotoana anaovany izany. Mitombo fahaizana izy ireo nefa mitombo koa ny isan’ireo namana mifanerasera aminy, mifanakalo hevitra sy mifanampy aminy saiky isan’andro.

Isan'ireo mpanetsiketsika ny Esperanto eto amintsika ry Henriel, Ranja ary i Rév. Docteur Miora

Ireo kalaza teto Madagasikara

RASOANAIVO Frédéric

Mpampianatra teny anglisy tamin’ireo sekoly tsy miankina teto Antananarivo tany amin’ny taona 70 tany Rasoanaivo ary isan’ny mpandrindra ny fikambanana esperantista teto Madagasikara no sady mpiandraikitra ny gazetin’ny fikambanana. Tsy nanambady ary tsy niteraka Rasoanaivo, nahafantaran’ny maro azy kosa ny boky Ny teny Esperanto nosoratany tamin’ny teny malagasy momba ny fianarana teny Esperanto.

RAKOTONDRAVAO

Mpitana bokim-bola tao amin’ny orinasa Air Madagascar Rakotondravao ka afaka nivezivezy tany amin’ny firenena maro tany Eoropa izy mba hanatrika ireo fihaonana samihafa karakarain’ny esperantista. Isan’ny notsidihiny ireo firenena tatsinanana toa an’ny Bolgaria, Polonina sy Tsekoslovakia. Nampianatra Esperanto tao an-tranony tetsy Antanambao Anjezika I (ampitan’Ambodin’Isotry) izy rehefa tonga ny fotoana nisotroany ronono. Nampianariny Esperanto koa ireo zanany roalahy na dia tsy nahadimby azy tamin’io sehatra io aza. Nanoratra boky kely momba ny voambolana Esperanto-malagasy koa izy.

RAMANITRA Henri

Lehilahy fonentana, lava volom-bava ary manao solomaso, mitsikitsiky lava ary tena mankafy tafatafa sy adi-hevitra, mahay hatsikana amin’ny teny Esperanto sy teny frantsay. Isan’ireo nanana anjara andraikitra tamin’ny fikambanana nasionaly indrindra taorian’ny taona 2000. Mpanohana mafana fo ny fikambanan’ny esperantista malagasy UME ingahy Ramanitra. Mpiasan’ny ministeran’ny vola moa izy ary tamin’ny fahatanorany, nisy fotoana izy voatendry hiasa tany amin’ny faritra avaratra tany nandritra ny taona maro ka nampisy fiantraikany ratsy tamin’ny fiainany manokana izany.

RABEVAZAHA Désiré

Mpiasan’ny ministeran’ny vola tao Antananinarenina ihany koa izy. Nahafantaran’ny maro azy ny nitantanany nandritra ny taona maro tsy ankijanona ny fikambanana nasionaly MEA (Malagasa Esperanto-Asocio) sy ny hetsika nataony hanaparitahana ny Esperanto teto amintsika. Isan’ireny ny fandreseny lahatra ny minisitry ny fampianarana tamin’ny 1976 ny hampidirana ny Esperanto ho taranja ianarana. Na dia tsy tody tamin’izany azy izy dia neken’ny ministera ny hampianarana ny teny Esperanto eny amin’ny kolejy, tsy ho taranja manokana anefa fa toy ny taranja ivelany sy fanampiny fotsiny.

Ezaka goavana nataony koa ny fandresen-dahatra ny mpiandraikitra tao amin’ny oniversite Ankatso (Sampana momba ny teny sy haisoratra) hampindrana azy efitrano hampianarany Esperanto isaky ny Asabotsy ka nahatsanganany kilioba ho an’ny mpianatry ny oniversite.

RANDRIANEKENA Roger

Nonina tany Ambatondrazaka izy ary mpiasan’ny Ministeran’ny asa vaventy. Isan’ireo niandraikitra ny fikambanana nasionaly ihany koa ary nanaparitaka ny teny Esperanto tany amin’ny toerana nisy azy. Olon’ny fihavanana Randrianekena Roger ary niditra an-tsehatra foana izy mba handrindrana izay mety ho tsy fitovian-kevitra teo amin’ny samy mpikambana. Nanoratra rakibolana momba ny teny Esperanto koa izy saingy tsy vitany hatramin’ny farany ny famoahana izany ho boky.

RAVELOSON Eugène

Niasa tao amin’ny HASYMA tao Tsaralalana izy ary nandray ny mpianany tany an-tranony teny Analamahitsy isaky ny Alahady. Isan’ireo mpiandraikitra ny fikambanana tanora esperantista teto an-toerana ingahy Raveloson. Fantatra koa ny fandraisany anjara tamin’ny fananganana ny MEU (Malagasa Esperanto-Unuiĝo). Tany amin’ny faramparan’ny taona 90 tany dia isan’ireo (esperantista) Malagasy voalohany nampiasa ny Aterineto izy mba hifandraisany amin’ireo namana any ivelany. Namoaka ny gazety Inter ni koa izy no sady nikarakara fampianarana ampitain-davitra ho an’ireo mpianatra Esperanto any amin’ny faritra samihafa toa an’ny Mananjary, Toliara, Morondava, Vatomandry, Antsirabe, sns. Nanana fifandraisana maro Raveloson ary matetika izy no nivoaka tany ivelany. Nampiasaina ireny mba hitadiavana fanampiana ho an’ ireo esperantista eto an-toerana indrindra teo amin’ny lafiny fampianarana. Namonjy kongresy tany ivelany no zavatra voalohany nataony tany amin’ny taona 60 tany ary ny fiverenany avy tany dia nitarika azy hirotsaka an-tsehatra tamin’ny asa fampandrosoana ny Esperanto manerantany. Raveloson Eugène koa no vy nahitana sy angady nanana ny fampanaovana ny fanadinana iraisam-pirenena momba ny teny Esperanto eto Madagasikara nanomboka tamin’ny taona 2003.

RALALARISOA Justine

Mpampianatra ny taranja fizika sy matematika i Lala (izay no fahalalan’ny maro azy) ary taty aoriana dia niofana tao amin’ny ENS Ampefiloha izy ka lasa mpampianatra teny frantsay ihany koa. Mpankafy ny haiady karate koa izy ary nahazo ny tepana mainty 2ème Dan ka nampianatra kilonga madinika tao amin’ny dojo iray tao Behoririka no sady mpitsara nasionaly amin’ny taranja karate ihany koa. Voasarika hianatra Esperanto izy ary nampianatra izany tany amin’ny trano fonenany teny Manjakaray nandritra ny taona maro. Nivoaka isan-taona tany Eoropa izy ary nivimbina voan-dalana (fitaovana sy boky fianarana) hatrany ho an’ireo ankizy sahirana teo amin’ny manodidina azy. Nentiny ho fitaovana hanabeazana maimaim-poana ireo ankizy ireo ny fahaizany ireo taranja rehetra ireo indrindra ny teny Esperanto. Isan’ny nahafantarana azy ny fampanaovana fanadinana iraisam-pirenena momba ny teny Esperanto. Isan’ny nanoratra niaraka tamin’i Henriel ilay boky Ny tsara ho fantatra momba ny teny Esperanto koa i Lala. Voatendry ho solontenan’ny fikambanana esperantista any ivelany miandraikitra ny fizahantany i Lala ary nahasarika mpizaha tany avy any Polonina sy firenena hafa koa.

RANDRIANARIVELO Bruno

Isan’ireo esperantista mpanetsiketsika tanora, mpikambana tao amin’ny FIESTAMA ary koa ny MEA i Bruno. Ny sehatry ny kanto no nilofosany mafy mba hampiharana ny Esperanto, nanohana ireo tanora nihira tamin’ny teny Esperanto izy ary nanana zava-maneno nampiasaina tamin’izany. Nahafantarana an’i Bruno ihany koa ny firotsahany tamin’ny asa fandraharahana vato sarobidy ary nananganany teny Ambohimanarina orinasa mpividy, mpivarotra ary mpanondrana vato sarobidy. Nampiasainy ny teny Esperanto mba hifandraisana amin’ireo esperantista mpikirakira vato sarobidy tany dilambato.

swipe-left
Ati-vilany
Retour en haut